Entry Zanamihoatra Randja
Elementary words Zanamihoatra ; Randja
Part of speech name (anthroponym) [full list]
Explanations in Malagasy Randja Zanamihoatra (1925-2015)
Edmond Randriamananjara no tena anarany. Teraka tao Vatovory (Ambositra) tamin' ny 29 mey 1925. Nianatra tao amin' ny Ecole Benjamin Escande. Nanomboka nanoratra tamin' ny 1944.

Ireto avy ny gazety namoahany ny tononkalony: Fandrosoam-baovao, Asa vadi-drano, Mandroso, Malagasy Vaovao ... ary efa namoaka bokim-poezy kely maro mpitia koa izy : Ary nihira aho, Ako sy feo, Ny lehilahy, Ny vehivavy.

Nahazo ny loka voalohany tamin' ny fifaninanana poezy nampanaovin' ny Conseil Municipal-n ' Antananarivo tamin' ny 1958 noho ilay asa sorany mitondra ny lohateny hoe: Tandindona sy Ra. [2.342]

Vocabulary 
Literary works Eny, alina
Vainafo Tononkira

Updated on 2023/11/20