Entry tsangambato (tsangana, vato)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an' ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony [Rajemisa 1985]
 vato lehibe ajoro ho fahatsiarovana ny olona maty tany an' ady na noho antony hafa ka tsy hita ny taolambalony [Akademia 2005]
Explanations in English a gravestone, cenotaph, tombstone; a stone set up on end as a memorial of some event [Richardson 1885]
 a monument [Hallanger 1973]
Explanations in French pierre ou monument commémoratif [Hallanger 1974]
Synonyms vatolahy
Compound words, titles, names 
Examples 
1Vorodamba efa tontan' ny ela no misarona ilay tsangambato (A. Rajon)
2lo no tsangambato tsy levona mariky ny nanapahan' ny Hova azy. [Rajaonarivelo: Bina, page 80]
3Maro ny tsangambato navelany izay ataon' ny olona hoe Vatonkimosy. [Randriamamonjy: Tantara, page 30]
4Nanorina tsangambato teo akaikin' Ambaiboho, teo amin' ny moron' i Sahabe, ny mponin' Antsihanaka atsimo, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana aminy namoy aina tao amin' ilay renirano manan-tantara. [Andraina: Mitaraina, page 264]
Quotes 
Illustrations 

Entry tsangambato (tsangana, vato)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro lehibe na malaza tsy hohadinoina [Rajemisa 1985]
 asa mendrika hotadidina sy hotsarovana mandrakariva, andro manan-daza tsy tokony hohadinoina [Akademia 2005]
Examples Ny boky no tsangambato avelan' ny mpanoratra ho an' ny taranaka [Rajemisa 1985]

Entry Tsangambato
Part of speech name (book or play title)
Explanations in French Pendant son incarcération, [Randriamaromanana] a écrit un livre Tsangambato, où il laisse des conseils, des réflexion sur la philosophie malgache, sur le pouvoir, la culture. Cet ouvrage est encore inédit. [Ranaivoson 2004]
Author Randriamaromanana Albert, 1948
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Entry Tsangambato (tsangana, vato)
Part of speech name (toponym) [full list]
Vocabulary 
Toponymy tsangana, vato

Updated on 2020/07/31