Entry Teo amin' ny valsa
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Razakandraina Jean Verdi Salomon
Text 
Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.

Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao
Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,

Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.

Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Updated on 2023/04/02