Entry tamoraina (tamora)
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Vita moramora noho ny: Notamorain' ny famaky ny fikapana ny hazo
Atao moramora foana, tsy isahiranana, alaina na heverina ho mora: Tamorainao loatra ny fianaran' ny zanakao
Entina an-kamorana: Tamorainao ny mpianatrao
Ahem-bidy, aletsy: Raha tamoraina ny vidim-bary, ho maty antoka ny mpamboly [1.1]
Morphology 
Present : tamoraina, tamoraiko, tamorainao, tamorainy, tamoraintsika, tamorainay, tamorainareo, tamorain', tamorain-, tamoraim-, tamorai-
Past : notamoraina, notamoraiko, notamorainao, notamorainy, notamoraintsika, notamorainay, notamorainareo, notamorain', notamorain-, notamoraim-, notamorai-
Future : hotamoraina, hotamoraiko, hotamorainao, hotamorainy, hotamoraintsika, hotamorainay, hotamorainareo, hotamorain', hotamorain-, hotamoraim-, hotamorai-
Imperative : tamorao

Anagrams 

Updated on 2023/01/05