Entry tafo
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Saron' ny zavatra ambony indrindra: Vao nolokoana ny tafon' ity sarety ity
Zavatra entina mandrakotra, manarona ny trano, taila: Ohatrinona ny arivo amin' itony tafo itony? (rehefa mipetaka amin' ny trano izy no atao hoe tafontrano)
Razan-tafo: tafo bozaka, tafo hazo, tafo fanitso, tafo kapila na tafo tanimanga
Ny fitambaran' ny sarona na rakotry ny trano: Izao tsy mbola misy orana izao no fotoana tsara fanamboarana ny tafo (eto izy dia azo soloana hoe: tafontrano). [1.1]
Explanations in English A roof [1.7]
Explanations in French Le toit, la couverture du toit [1.3]
 Toit [1.8, 1.13, 1.5]
 Couverture [1.13, 1.5]
 Toiture [1.5]
Examples 
1Niredaka ny hazo rehetra sy ny tafo. [2.472]
2Nosoloana fanitso ny tafo tani-manga efa simba. [2.356]
3Asabotsy, dia vita ny fasana, hatramy ny trano manara, natao tafo hazo. [2.59]
Derivatives 
Compound words 
Toponyms 
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2023/08/21