Entry sempotra
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Tsy afa-miaina noho ny hafanana be loatra: Sempotry ny hafanana aho izany
Tsy avy miaina noho ny tsy fisian' ny rivotra na ny fibosesiky ny rivotra be loatra, misanehaka noho ny hazakazaka: Nihazakazaka aho ka sempotra ~ Rehefa mandeha ny aotomobilina ka mivoha ny varavarana, mila ho sempotra ny zazakely ~ Sokafy aho fa sempotra
Be raharaha na ahiahy na alahelo ka toa tsy afa-miaina noho ny fahasahiranana: Sempotry ny volan' olona Rakoto ~ Mbola sempotry ny fanadinana aho ka tsy afa-manoratra
Mitovy hevitra: ana ~ any am-bolon-tsofina ny aina ~ mihehaka ~ mikoika ~ misanehaka ~ misefosefo ~ misohika ~ mitranga ny lela ~ tsy avy miaina [1.1]
Explanations in French Essoufflé, haletant, étouffé, suffoqué: Nihazakazaka aho ka sempotra (J'ai couru et je suis tout essoufflé) ~ Sempotry ny hafanana aho (Je suis étouffé par la chaleur)
Figuré: accablé d'embarras, de tristesse, vivement impressioné: Sempotry ny volan' olona aho (Je suis dans le plus grand embarras à cause de mes dettes) ~ Sempotry ny alahelo izy (Il est accablé de tristesse) [1.3]
Examples 
1Sempotra dia sempotra izy, toa nenjehin'inona. [2.324]
2Nitombo be ny kohaka sy ny hafanan' I Solo iny alina iny, sempotra be ny fiainany. [2.472]
Derivatives 

Updated on 2020/07/31