Entry sakanana (sakana)
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Fefena: Nosakanan' ny tompony vato be ny fidirana ao anaty sahany
Tohanana tsy avela handeha, tsy avela hiditra: Nosakanan' ny polisy tsy hiditra ny ankizy latsaky ny telo ambin' ny folo taona
Rarana: Nosakanan-drainy ny fanambadian' i Soa ka tsy raikitra
Tohanana, atao izay tsy haharaikitra: Nosakanan' i zoky ilay tranonay eny Ambohimanarina saika hamidy
Ajanona: Nosakanany teny an-dalana aho mba hilazany izany vaovao izany [1.1]
Morphology 
Present : sakanana, sakanako, sakananao, sakanany, sakanantsika, sakananay, sakananareo, sakanan', sakanan-, sakanam-, sakana-
Past : nosakanana, nosakanako, nosakananao, nosakanany, nosakanantsika, nosakananay, nosakananareo, nosakanan', nosakanan-, nosakanam-, nosakana-
Future : hosakanana, hosakanako, hosakananao, hosakanany, hosakanantsika, hosakananay, hosakananareo, hosakanan', hosakanan-, hosakanam-, hosakana-
Imperative : sakano
Compound words 
Proverbs 

Updated on 2023/01/20