Entry ravany > ravana (rava)
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Fongorina, levonina: Noravana ilay tamboho tetsy atsimo tetsy
Vahana, saratsarahina: Noravany aloha ilay famantaranandro mao namboariny indray
Alefa; asaina miparitaka, mihahaka: Noravana tamin' ny efatra ny mpianatra [1.1]
Explanations in English To be ruined; to be torn down; to be dismissed (of a meeting) [1.7]
Explanations in French Qu'on démolit, qu'on détruit; qu'on lève (séance) [1.8]
Morphology 
Present : ravana, ravako, ravanao, ravany, ravantsika, ravanay, ravanareo, ravan', ravan-, ravam-, rava-
Past : noravana, noravako, noravanao, noravany, noravantsika, noravanay, noravanareo, noravan', noravan-, noravam-, norava-
Future : horavana, horavako, horavanao, horavany, horavantsika, horavanay, horavanareo, horavan', horavan-, horavam-, horava-
Imperative : ravao
Compound words 
Proverbs 

Anagrams 

Entry ravany > rava
Part of speech participle
Explanations in Malagasy Simba tanteraka, potika: Ravan' ny rivo-doza ny tranony ka tsy nahita hialofana izy ~ Vao telo taona monja dia rava ny fanambadian' izy roa
Tsy misy na inona na inona mijanona, fongana, foana: Rava ny fikasanay
Mihahaka, miparitaka: Rava ny tafika ~ Efa rava ny kilalao vao tonga ianao
Mitovy hevitra: ambony ambany ~ fongana ~ levona ~ miongana ~ mirodana ~ rota ~ simba ~ tsy misy vato mifanongoa [1.1]
Explanations in English Ruined, destroyed [1.7]
Explanations in French Démoli, détruit [1.8]
Examples 
1Tsy ela dia rava ny trano; [2.470]
2Teo no rava ny tafiky Ramanantsoa, teo izy tenany no azo sambo-belona. [2.472]
Morphology 
Present : rava, ravako, ravanao, ravany, ravantsika, ravanay, ravanareo, ravan', ravan-, ravam-
Past : rava, ravako, ravanao, ravany, ravantsika, ravanay, ravanareo, ravan', ravan-, ravam-
Future : ho rava, ho ravako, ho ravanao, ho ravany, ho ravantsika, ho ravanay, ho ravanareo, ho ravan', ho ravan-, ho ravam-
Derivatives 
 
Compound words 
Hyponyms Trano rava (Randriamamonjy Esther)

Anagrams 

Entry ravany > ravaka
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Zavatra entina mahatsara tarehy olona na zavatra; haingo, renty: Ny fahamaotinana no ravaky ny tovovavy sarobidy indrindra [1.1]
 Zavatra entina na apetaka mba hahatsara jerena [1.13]
Explanations in English An ornament, jewelry [1.7]
Explanations in French Ornement, bijou [1.8]
 Décoration, parure [1.13]
Derivatives 
Compound words 
Analogs  haingo
Proverbs 
Article 

Anagrams