Malagasy definition | Mandray amin' ny loha rantsana, mikasika kely foana: Nananosarotra erỳ izy nitsingina ilay mosara, fa naloto, hono ¶ Maka izay voafihina amin' ny loha rantsana, maka pitiny kely foana: Asio sira indroa mitsingina ity salady ity ¶ Manendry kely foana amin' ny hanina; miangolangola erỳ rehefa mihinana ka zara raha maka kely amin' izay sakafo aroso eo anoloany (endrika verindroa no ampiasana azy matetika amin' ity hevitra ity): Mitsingintsingina Rasoa rehefa mihinana [Rajemisa 1985]
|