Entry mikraoba
Part of speech noun
Explanations in Malagasy [ mikraoby ] [frantsay microbe] anarana ankapobe iantsoana ireo zavamananaina na zavamaniry kiritika kely, tokantsela, tsy hita raha tsy amin' ny mikraoskaopy, miteraka aretina. Misy karazany telo ny mikraoby: 1) ny virosy; 2) ny mikraoby zavamaniry, izay mitsinjara vitsivitsy indray, ka anisan' izany ny bakteria (basila, kaoka, vibrio, spiroketa); 3) ny mikraoby bibikely (hematozoera, amiba, tripanozaoma) [Rajemisa 1985 page 697]
 anarana ankapobeny iantsoana an' ireo zavamananaina kiritika tsy hita raha tsy amin' ny fanitajery; miteraka aretina araka ny karazany avy; sokajin' ny tokan-tsela; misy karazany telo dia ny viriosy sy ny mikraoba zavamaniry izay mbols mitsinjara vitsivitsy ka anisan' izany ny bakteria (basila, kaoka, vibriôna, spirôketa), ary ny mikraoba bibikely (hematôzoera, amiba, tripanôzôma). [Akademia 2005 page 761]
Explanations in French [ mikrôby ] microbe, virus [SLP 1986]
Vocabulary 
Origin French: microbe.
Synonyms otrikaretina
Compound words, titles, names 

Updated on 2020/07/31