Entry mamotsotra (votsotra)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Mamaha, manaboraka: Iza no namotsotra ity kofehy itỳ?
Mitery (ombivavy): Lasa namotsotra omby any an-tsaha izy
Manafaka gadra na mpanompo: Iza no mpanjakavavy namotsotra ny mpanompo raha mba fantatrao?
Manala (ny fahotana): Nahazo lalana tamin' ny Tompo hamotsotra ny fahotana izy
Miala, mamadika: Mahagaga fa namotsotra indray ny iray tamin' ireo nilatsaka hofidina [1.1]
Explanations in English To set free [1.7]
Explanations in French Faire glisser entre les mains, ingurgiter, traire, nettoyer, enlever les feuilles en faisant glisser entre les doigts, les mains
(figuré) affranchir un esclave, absoudre les péchés [1.3]
 Libérer, lâcher [1.8]
 Effeuiller, comme on le fait pour les rameaux du mûrier [1.196]
Morphology 
Present : mamotsotra
Past : namotsotra
Future : hamotsotra
Imperative : mamotsora

Entry mamotsotra (votsotra)
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy  [Tambahoaka] Afa-jaza [1.78]
  [Bezanozano] Maty anaka [1.78]
  [Tanala] Afa-jaza, tsy mahavanon'anaka [1.78]
 Enti-milaza biby miteraka ka tsy mahazo ny zanany: Namotsotra indray Ikalamavo [1.1]
Explanations in French Qui avorte, se dit des animaux [1.3]
Examples Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra. [2.996]

Updated on 2020/07/31