Entry mamoaka (voaka)
Part of speech active verb
Malagasy definition Mampiala ny trano: Mamoaka ny ankizy haka rivotra ny mpampianatra
¶ Milaza am-pahibemaso: Efa namoaka didy mihitsy ny fanjakana momba izany
¶ Mamosaka, mampiseho: Aoka ianao hamoaka mazava ny hevitrao eto anoloanay
¶ Mampiseho voalohany ho hitan' ny olona: Vao namoaka gazety indray izao Randria
¶ Manome: Mamoaka feo tsara sy mahafinaritra io orga vao novidinay io
¶ Enti-milaza ny ray aman-dreny izay mandefa ny zanany hanambady, amin' ny fotoanan' ny fampakarana: Hamoaka zazavavy Rakoto mivady rahampitso Asabotsy [Rajemisa 1985]
 manaparitaka, mizara, mampiely [SLP 1986]
French definition diffuser [SLP 1986]
Morphology 
mamoaka
namoaka
hamoaka
mamoàha
Compound words, titles, names 
Quotes 

2011/08/19