Entry indro
Part of speech adverb [full list]
Explanations in Malagasy Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao [1.1]
Explanations in English Behold! Lo! Here! This is it! See indry. [1.2]
 Behold! look! there he (she, it) is! [1.7]
Explanations in French Voici, voilà [1.3]
 Le (la) voilà [1.8]
Examples 
1Indro ny volanao. [2.4]
2Indro avereno izy! [2.298]
Hyponyms Indro (Razakandraina Jean Verdi Salomon)

Entry Indro
Elementary words indro
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Razakandraina Jean Verdi Salomon
Text 
Indro ny Zanakavavin’ny Alina
Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina…
‘Ndeha handro izy iny…

Ny volony lava toa setroka oly,
Ny maso baliakany toa hanangoly…
Mandrendri-bahiny!…

Mba mahina angaha sao misy mahita
Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
dia indro tokoa…

Ingahy masoandro misalotra mena
malaina handao an’ity fijerena
An-dRavolana soa!…

Dia indro fa nihaona ny masony roa
Ka menatra indrindra Ravolana soa
Noraisiny haingana

‘lay rahona kely mba sendra nandalo
ho enti-manafy an’ity tena mimalo
tsy ho hita mivaingana…

Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava…
Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava!
…Dia tena nitranga!

Nisosa malako, nandeha nilomano
namaky ny ony ‘zay manganohano:
Ny lanitra manga!
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Anagrams 

Updated on 2023/10/20