Entry (1/5) | 1 ho |
Part of speech | 2 particule |
Explanations in Malagasy |
3 Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho: -- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny -- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa -- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa! -- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva) -- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka 4 Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika 5 Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara 6 Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada! 7 Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy [1.1] |
Explanations in English |
8 sign of the future tense, used before consonants, as -- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive -- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut [1.7] |
Explanations in French |
9 marque le futur; se met devant les consonnes; ex. -- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera -- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera [1.8] |
Compound words |
|
Phytonyms |
|
Tables and plates |
36 All the particles |
Entry (2/5) | 37 hô |
Part of speech | 38 preposition |
Explanations in Malagasy |
39 tahaka, sahala [Tanosy]
[1.78] |
Tables and plates |
40 All the prepositions |
Entry (3/5) | 41 ho |
Part of speech | 42 adverb |
Explanations in Malagasy |
43 toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa [Tanosy]
[1.78] |
Compound words |
|
Tables and plates |
46 All the adverbs |
Entry (4/5) | 47 ho~ |
Part of speech | 48 prefix |
Entry (5/5) | 49 Ho |
Part of speech | 50 noun (symbol) |
Explanations in Malagasy |
51 Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1] |
Explanations in English |
52 Holmium. [3.1] |
Vocabulary |
53 Chemistry |
Tables and plates |
54 Periodic Table |
Updated on 2024/09/07 |