Entry fisoko (soko)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fidirana tsimoramora: Tsarovy fa lasa ohatra ny fiaokon' ny ron-gisa hilazana zavatra mitsofoka tsimoramora nefa misy asany
Fitsofohana manginaina tas' misy mahita: Tsy azo anomezan-tsiny azy ny fisokoany namangy ny havany tany amin' ny hopitaly
Fangalaran-javatra mangingina: Tsy hita mihitsy ny fisokoan' ny adala an' ilay bokiko
Fanampohana, fisovohana: Ny fisokoan' ny fahavalo [1.1]
Explanations in French Ce qu’on peut faire ou prendre en cachette, manière d’agir en cachette [1.3]
Synonyms fisokoana

Entry fisoko (soko)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Toerana voavala ho an'ny biby ompiana (akoho, vorona, ondry, kisoa...). (Saika mazana voatery miondrika rehefa miditra ao ka izany no nahatonga io anarana io). [1.1]
Explanations in English The south-eastern part of the house partitioned off for a fold, a pen, a sheep-fold, or a goat-fold. [1.2]
Explanations in French Petit parc établi dans les maisons à l’angle sud-est, où l’on met les brebis, les cochons, les volailles. C’est parce qu’il faut en général se courber pour y entrer qu’on lui donne le nom de Fisoko [1.3]
Examples Ny fisoko eo an-jorony atsimo-atsinanana itoeran' ny ondry, ary ny akoho eo amboniny. [1.437]

Updated on 2023/05/14