Entry fenitra
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Ny tsorak' ahitra efatra alahatra voalohany, atao mitanam-bokovoko, dia ireo no fototra anombenana ny rary amin' ilay harona na sobika atao [1.10]
 Ireo soritra amin' ny rary mifanipaka, izay toa mahavita sary [1.1]
Explanations in English Four strips of rush placed diagonally at the bottom of a basket, etc., extending from corner to corner, and forming a foundation on which the basket is plaited [1.2]
Explanations in French Raies des nattes dirigées dans un sens différent et formant des dessins [1.3]
Compound words 

Entry fenitra
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fanorenana, fiandohana
Ny fandimbiasana ara-dalàna tsy miovaova ny taranaky ny mpanjaka teto amin' ny Fanjakana Malagasy izy; koa na ny mpanjaka na ny vahoaka dia samy tsy misy mivadibadika na mikorontana, fa misy fitohizana ara-dalàna hatrany [1.10]
 Fomba fanao, indrindra izay mikasika fifandraisan' ny vahoaka sy ny andriamanjaka fahizay: Tsy miova fenitra ny ambanilanitra [1.1]
Explanations in English Foundation, origin, first cause, etc.
This word is also used to express the continuous succession to the sovereignty of a dynasty, as: Tsy miova fenitra ny ambanilanitra (The people have no change in the succession) [1.2]
Explanations in French Coutume, usage
Ce qui s'est fait dans les temps passés de peuple à souverain et de souverain à peuple [1.3]
Examples 
1Koa samia mitandrina ianareo mba tsy hanova fenitra izao tany ipetrahanareo izao. [2.508]
2tsy maintsy mitovy ny fenitra andanian' ny Antenimiera roa tonta ny lalàna fehizoro mikasika ny Antenimierandoholona. [1.320]
Compound words 
Anthroponyms 
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2023/06/14