|
|
|
|

Entry1  Fasana faharoa
Elementary words  2  fasana, faharoa
Part of speech  3  name (poem title)
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rabearivelo Jean-Joseph
Tables and plates  6  List of poems
Full text 
7  Ilay fasako, fasako ihany,
8  fa ny foko dia fasana koa!
9  Io no fasako ivelan'ny tany,
10  io no fasako iray, faharoa!

11  Tsy mba vero na mba rangolahy
12  no manafina an'io fasana io -
13  fa ny nofoko zary manahy
14  no mandrakotra omaly sy anio.

15  Sentosentoko mamelovelo,
16  ranomaso, toloko tsy tana -
17  izy ireny no sarin'avelo,
18  mitampody ka sarotra ialana!

19  Ao ny nofy novolavolaina,
20  izay nisinda nalaky, tsy hita!
21  Ao no rendrika ilay nantenaina,
22  ilay sambo nataoko ho tafita!
23  Ao ny tsantan' ny andro taloha
24  sy ny hiran'ny fahazazako
25  no milevina ka tsy mifoha,
26  na miverina mba hitondra ako!

27  Ao ny zava-drehetra voakasa,
28  saingy simba, ka very tadidy!
29  Ao ny taolan'ny androko lasa,
30  sy ny ora tsy masi-mandidy!

31  Ao ny nofo nikipaka mora
32  ao ny maty daholo daholo!
33  Ao malazo na mbola tanora,
34  ka mianjera tsy mana-mpisolo!

35  Ilay fasako, fasana ihany,
36  fa ny foko dia fasana koa!
37  Io no fasako ivelan'ny tany.
38  io no fasako iray faharoa.

Updated on 2024/11/25