Entry | fanadalana (adala) | |
Part of speech | noun | |
Explanations in Malagasy | Filalaovana (olona), fametsifetsena, fanambakana; fitaomana amin' ny alalan' ny fangolingolena:
izao no vokatry ny fanadalan' ny zanakao ny zanak' anabaviko Fandrebirebena, fampivezivezena, fampitotototoana: loza ny fanadalan' ny mpiasam-bahoaka sasany ny olona fa asainy mankatsy, asainy mankaroa [1.1] | |
Explanations in French | L'action de duper, d' importuner, moyen employé pour duper, le motif, le lieu, le temps [1.3] | |
Updated on 2023/01/20 |