Entry elefanta
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Biby makadiry indrindra amin' ny biby an-tanety, milanja hatramin' ny 5 taonina. (Ny elefanta izay tsy fahita afa-tsy any Afrika sy any Azia dia manan-koditra matevina; ny nifiny anoloana ambony dia miranirany lava lehibe ataony fiarovan-tena ary nomena anarana hoe vangin' elefanta; ny molony ambony kosa lava mitarozaka ka ampiasainy ho organa fandraisan-javatra; mety ho velona mandritra ny 100 taona ny elefanta) [Rajemisa 1985]
Explanations in French éléphant [Abinal 1888]
Vocabulary 
Origin English: elephant. French: éléphant.
Synonyms trepo
Examples 
1Tsy mba tongotr' elefanta ohatra ny fiteny intsony izany; [Andraina: I Vola, page 67]
2Ny rambony kosa dia fohy noho ny an' ny elefanta any Asia. [Randzavola: Baiboly, page 195]
3Ny elefanta no ampiasain-dry zareo Indianina hoenti-mamakivaky ireny ala ireny. [FOFAFIPE: Rosovola, page 113]
4Izy no nitondra ilay sampy vato mitarehina elefanta ary atao hoe Vatolambo, izay mbola ao Ambohitsara mandraka androany. [Randriamamonjy: Tantara, page 195]

Updated on 2020/07/31