Entry | 1 Baroa |
Part of speech | 2 proverbial name |
Explanations in Malagasy |
3 tompo, andriana, mpanjaka. Anarana miraikitra amin' ilay fitenenana malaza hoe Fanjakana i Baroa, ilazana ny raharaha, na ny tokantrano, na ny fanjakana, ets., mikorontana, tsy misy filaminana, tsy ampanarahina fitsipika na lalàna velona, ka hararaotin' ny fetsy hahazoany tombon-tsoa ho an' ny tenany fotsiny, araka ilay hoe "samy manao izay hihinanany"... [1.10#B79] 4 Anarana mpitondra fanjakana iray, izay tsy fantatra marina raha nisy aratantara fa nanaovana ohatra amin' ny fitondrana baranahiny, tsy misy lalàna, ka samy manao izay tiany ny olom-pehezina [1.1] |
Explanations in English |
5 same as baraNAhiny [1.2] |
Explanations in French |
6 nom vrai ou fabuleux d'un roi excessivement débonnaire: Fanjakan' i Baroa (La cour du roi Pétaud, pétaudière) [1.3] |
Compound words |
|
Tables and plates |
8 Full list |
Anagrams | 9 arabo, aroba, barao, Baroa, boara, rabao |
Updated on 2023/05/21 |