Entry ankotralahy
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Anarana niantsoana ireo miaramila mpiambina andriana tamin' ny andro malagasy fahizay; nibaby kotra mandrakariva izy ireo, nanao zovy manodidina ny rova ary niambina ny tanana sy nanaraka ny andriana rehefa nisy dia nalehany. Mazàna izy ireny no nanao akanjo mena, ka avy amin' izany no nahatonga ilay fitenenana manao hoe: Manalasala ohatra ny ankotralahy: arahabain-tsy andriana, avela miakanjo jaky, izay entina hilazana ny toe-javatra rehetra mahasanganehanehana [1.1]
Proverbs 

Updated on 2020/07/31