Entry Andriamatoa
Elementary words andriana ; toa
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin' ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankatỳ Andriamatoa, hoy i dada tamin-dRandriamparany
Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonganamangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy lanja amin' ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony)
Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaram-boninahitra entin' ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben' ny tanàna [1.1]
Explanations in English [matoa, the firstborn.] The name of the eldest male in a family; a title of respect. [1.2]
 Mister [1.7]
Explanations in French Monsieur [1.8]
Vocabulary 
Antonyms 
Titles Andriamatoa Ratsilefilaza (Ravalison Edmond)
Abbreviation 
Analogs  Ingahy
Proverbs 

Updated on 2023/10/28