Full text |
7 Njany rivotra mitsoka, rivotra mamirifiry,
8 Mahangoly ny aty tsoka sady mampangirifiry;
9 Efa maty re ny afo ka tsy misy hamindroana,
10 Iza no hanafosafo? Ineny no tsaroana!
11 E! ry alin'alahelo! ali-mampahoriory,
12 Tairinao hamelovelo ny eritreritro matory,
13 Ka ny fasana mihidy no nanjary novohany,
14 " Neny tiana " no tadidy ka ny foko dia tomany.
15 Aiza izao ankehitriny, ô ry alina somamby,
16 Iny reny mamiko iny, nahazoako tambitamby?
17 Volana izy ka nisoka nefa tsy hiseho intsony!
18 Ory loatra fa sodoka ny kamboty toy itony!
19 Fony i Neny mbola teto, tsy mba nisy fahoriana,
20 Tsy mba fantatra ny sento, lavitra ny fanahiana,
21 Voronkely nombombana, nandry tsy nadisadisa ,
22 Saron'elatra mafana, nanonofy Paradisa!
23 Nefa izao dia mamanala izato alina mavany ,
24 Erika sy patrakala no nanondraka ny tany;
25 Tora-kovitra indrisy!'lay tsy zatra mba nihafy,
26 Lamba rovitra no misy, nefa tsy mba mahatafy!
27 Eny! tsy mba eto intsony i Neny nampiondan-tsandry,
28 O! ry alina malony , tairinao ny fota-mandry!
29 Ranomaso no mandriaka, sady jenjina ny loha,
30 Fa ny ali-mangatsiaka ali-mampamohafoha!
31 O! ry ali-mampisaona, mampanembona ny foko,
32 Ora firy, sa ho taona, vao hangina ny toloko?
33 Sa ny alinay kamboty holanin-kitomaniana,
34 Ho famoizana ny angoty fony nanan-dreny tiana?
35 Ngolingoly sady ana re, ry alina, izahay,
36 Lamba be tsy rtlahafana no arakotrao anay;
37 Aza ela, mikipaha, ry ali-mampisento,
38 Ry masoandro, miposaha, fiadanana no ento.
|
|