Entry Tandroy (ta-, any, roy)
Part of speech name (ethnonym)
Malagasy definition [ Antandroy ] Foko lehibebe amin' ny tendron' i Madagasikara atsimo indrindra mitoetra amin' ny tany voafaritry ny ony Menarandra, andrefana; Mandrare, atsinanana, ary ny havoana Vohimainty, avaratra.
¶ Ny anarany dia avy amin' ny hoe "androy", karazan-draketa be ranony, izay hany zavamaniry azo hanina amin' io tany ngazana sy maina mandavan-taona io. Tanàn-dehibebe: Ambovombe, Beloha [Rajemisa 1985]
French translation population de l'extrême sud-est de [...] [full text in Rajaonarimanana 1995]
 [ Antandroy ] population de l'extrême sud de Mad [...] Menarandra et Mandrare (ville principale: Ambovombe) [full text in Rajaonarimanana 1995]
Vocabulary 
Other spellings 
Tables and plates Dialectal words
Examples 
1Ireny Tandroy ireny moa mahay manapaka kofehy mena. [Razafiarivony: Harivolana]
2Izy no lazaina fa mahery indrindra tamin' ny Antandroy. [Randriamamonjy: Tantara, page 75]
3Nahafatesany betsaka ny Tandroy ary resy Andriankirindro sady betsaka ny maty. [Randriamamonjy: Tantara, page 71]
Bibliography Rajaonarimanana: Dictionnaire malgache dialectal - français (dialecte Tandroy)
Mahafay: Boke Arofototse

Updated on 2020/11/22