|
|
|
|

Entry misesika (sesika)
Part of speech active verb
 Misy sesika: Misesika horompotsy io kidoro io ka asa raha ho tianao
Feno: Misesika ny entana ny efitrano ka tsy misy hidirana intsony
Mirohotra miditra na mitsofoka an-keriny: Nisesika niditra tao an-trano fianarana ny ankizy
Mihinana be ambosika, na terena hihinana toy ny vorona afahy: Loza raha hisesika katsaka io ganagana io [1.1]
 To enter by force [1.7]
 Entrer par la force [1.8]
Examples Kidoro jiafotsy misesika mololo no fandriana niraisany ary bodofotsy iray efa misy tampitampina no nirakofany. [2.472]
Morphology 
Present : misesika
Past : nisesika
Future : hisesika
Imperative : miseseha

Entry misesika
Part of speech active verb
  [Sihanaka] Manerana [1.78]

Updated on 2023/01/20