|
|
|
|

Entry milentika (lentika)
Part of speech active verb
 Misitrika ao anaty rano, difotra ao anaty rano: Nidiran' ny rano ny lakana ka nilentika
Lasa nidify any ambadiky ny faravodilanitra: Amin' ny enina izao no milentika ny masoandro
Mihamifatratra, mihitsoka lalina ao anatin' ny faharatsiana, fahasahiranana, fahoriana: Milentika ao anatin' ny fahotanany olona sasany
Miraikitra, voasokitra: Milentika ato am-poko ny teninao
Mijanona ela be amin' ny toerana iray: Nahoana no nilentika tany an-tsena tany ise? [1.1]
 To sink; to set (of the sun) [1.7]
 S'enfoncer; couler; se coucher (en parlant du soleil) [1.8]
Morphology 
Present : milentika
Past : nilentika
Future : hilentika
Imperative : milenteha

Updated on 2023/01/20