| Entry |
mifihifihy
(fihifihy)
|
| Part of speech | active verb
|
| | Mangovitra, mihoron-koditra: Mifihifihin' ny hatsiaka ity zaza ity fa rakofy lamba mafana Mihararetra: Vao nambanako izy dia nifihifihy Mangaihay, kepoka: Nifihifihy teo anatrehan' ny mpitsara ilay voampanga [1.1]
|
| | To shiver, to shudder, to quake [1.2]
|
| Examples |
| 1 | Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy.
[2.470]
|
| 2 | Na ny omby aza no karavasiana, hita fa mifihifihy, taitra ary mihorona ny hodiny nandalovan' ilay dian-karavasy.
[2.472]
|
|
| Morphology |
| Present : |
mifihifihy |
| Past : |
nifihifihy |
| Future : |
hifihifihy |
| Imperative : |
mifihifihia |
|
|