|
|
|
|

Entry hajia
Part of speech noun
 Vola (na zavatra) fandoa araka ny fomba efa narahina ela ho fanajana sy ho fanoavana ny mpanjaka na ny tompomenakely na ny olona ambony. (Hatramin' ny vodiakoho naterina ho an' ny ray aman-dreny avy aza dia natao hoe hajia, ka araka izany, dia angamba mety ho avy amin' ny teny hoe haja ihany ny hajia)
(Ankehitriny) Ilay singan-tsary kely saram-pandefasana taratasy amin' ny paositra. Misy hajia karazany roa: ny hajian-taratasy ary ny hajian-ketra [1.1]
 A tax, revenue, income arising from a feudal estate. [Mal. hajia, a present.] [1.2]
 Revenu, impôt, taxe, redevances payées aux seigneurs [1.3]
 Timbre [1.13, 1.5]
Examples Mampita ny hafatra an-tsoratra amin'ny fitondrana taratasy misy hajia izy. [2.117]
Origin Malay: hajia (tolotra).
Illustrations 

Updated on 2023/10/29