| Entry |
fitokanana
(tokana)
|
| Part of speech | noun
|
| | Fipetrahana na fivelomana irery tsy mikambana amin' ny hafa: Angamba mahafinaritra anao ny fitokanana atỳ antany efitra atỳ, fa raha sanatria marary kosa ianao, dia ho sahirana Fankalazana zavatra vaovao iray ampahibemaso alohan' ny hampiasana azy: Amin' ny alahady izao ny fitokanana ny fiangonanay any ambanivohitra. [1.1]
|
| | Isolation; a being apart; an act of consecration or dedication: [1.7]
|
| | Isolement, séparation ; acte de consécration ; cf. fanokanana [1.8]
|
| Examples |
| 1 | tsy dia ny fitokanana ny trano fiangonana ao an-tanin drazana hiany no nahatongavako;
[2.59]
|
| 2 | Amin' ny trano kely toy izany, tsy misy loatra ny tena fitokanana, ka izay natao saika nifankahitana avokoa.
[2.472]
|
|
|