| Entry | fisafoana (safo) | |
| Part of speech | noun | |
| Fampandalovana moramora ny tanana eo ambony zavatra iray: Tsy nahateny Ibalita noho ny henatra, fa fisafoana hatoka no nataony Fijeren' ny dokotera sy ny mpampivelona ny vehivavy bevohoka: Amin' ny sivy ora ny fisafoana ao amin' ny hopitaly Fandalovana mba hijery ny fandehan-javatra, mba hanara-maso: Rehefa tonga ny fisafoan' ny lehibe, tonga daholo ny mpiasa rehetra ary misehoho miasa tsara [1.1] | ||
| Updated on 2023/01/05 |
|