| Entry |
fiantranoana
(trano)
|
| Part of speech | noun
|
| | Fidirana ao an-tranon' olona Fangataham-bady atao loabary an-dasy eo anatrehan' ny mpianakavy roa tonta, ampiana ny dinidinika ny amin' izay andro hampakarana sy ny hatao amin' izany; amin' ny fiantranoana koa no anomezan-drazazalahy fitafiana ho an-drazazavavy. Ireo zatovo mifanaiky hivady toy izany no natao taloha hoe: "vady vita fiantranoana" [1.1]
|
| | L'action d'entrer dans la maison de quelqu’un, la cause, le lieu [1.3]
|
| Examples |
| 1 | vady vita fiantranoana kosa no niantsoan'ny Ntaolo an'io fahiny.
[2.314]
|
| 2 | Misy ambaratonga roa ny fomba arahina rehefa hanambady: voalohany, ny fiantranoana, ary faharoa, ny fampakaram-bady.
[2.436]
|
| 3 | Ny fiantranoana na fangataham-bady dia atao loa-bary an-dasy eo anatrehan' ny mpianakavy tafavory, ampiana ny dinidinika ny amin' izay andro hampakarana sy ny hatao amin' izany.
[2.436]
|
|
|