|
|
|
|

Entry farany
Part of speech adverb [Full list]
 Finally [1.2]
 Enfin, en un mot [1.3]
Examples Farany dia tonga ry zareo. [2.356]

Entry farany
Part of speech noun or adjective
 Aoriana indrindra amin' ny laharana, amin' ny fanadinana na fifaninanana: Ny Desambra no volana farany amin' ny taona ~ I Naivo no farany tamin' ny fanadinana tao [1.1]
 The end, the last, the conclusion, the extremity, the close. [1.2]
 The end, a limit [1.7]
 La fin d'une chose, le bout, la termisaison
Dernier [1.3]
Examples 
1ho tsara farany hianareo! [2.48]
2Tsinjony fa efa akaiky ny farany. [2.499]
3Betatao, farany Merina amoron' ala; [2.48]
Analogs  farana

Entry Farany
Part of speech name (poem title) [Full list]
Author Razakandraina Jean Verdi Salomon
 
Gina aho, eny tankina fa tsy nino hatramin'ny farany...
Mbola nihevitra ny hahazo hiady amin'ny fahafatesana!
Indrisy! tafahoatra ny heriko ny hangidin'ny fiharany ;
Eny! hankaiza aho anefa? Lahatra tsy ifandrefesana!

Tapitra fitepo hatreo ny fonao tia, rahavako...
Vata-mangatsiaka indrisy! sisa fihiniko eto an-tratra;
Eny! iky izany ianao ka ho afoin'ny fitiavako!
Ho banga anao ny fiainako, ô famoizana mahantra!

Mamaivay ny ranomaso : fahoria-mamelively...
Torovana sy fanina aho misaina ireo kamboty kely
Sy ny akany ho foana anao, tsy hahita anao intsony! ! !

Tsy foiko ianao hisaraka amiko, ry malala mamanara...
Nefa ho aiza aho fa resy anatrehan'ny Anjara!
Raiko ô, mangidy izao! Ny alaheloko onony!
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Updated on 2024/11/25