| Entry |
fanazimbana
(zimba)
|
| Part of speech | noun
|
| | Fanaovana tsinontsinona, fanivaivana, fanebahana: Lotika aho nahita ny fanazimbana ny torohevitra nomeko azy Faniratairana, fanevatevana: Fanazimbana zava-masina izao ataonao izao [1.1]
|
| | L’action de déprécier, de mépriser, de ridiculiser, d’insulter, la cause [1.3]
|
| Examples |
| 1 | Diso koa izany fiheverana ny Antakay ho mpikomy sy malaza ratsy izany: tsy ekenay mihitsy io fanazimbana tsy an-drariny io.
[2.245]
|
| 2 | Dia niteny tamin' ny vahoaka niaraka taminy izy ka nanao hoe : "Afa-baraka lahy aho noho ny teny fanazimbana nataon-dRabenimiehaka.
[2.69]
|
|
|