| | Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko.
ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710).
-- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina,
ka nozarainy enim-toko izy, dia
Avaradrano, Vakinisisaony,
Marovatana,
Ambodirano,
Vonizongo,
Vakinankaratra.
-- Mizara telo indray Avaradrano, dia:
Tsimahafotsy,
Ambohimanga no renivohiny;
Tsimiamboholahy,
Ilafy no renivohiny;
Mandiavato,
Ambohidrabiby no renivohiny.
Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany
atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy...
[1.10]
|