Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
mpisorona mamerina fivavahana nataony tamin’ny sorona omby ireo na ny tamin’ny Zanahary na ny tamin’ny fahasivy. Ary rehefa vita koa ny teniny dia miandry kely dimy minitra dia donina ny rindrina ary hetsehina ny hanina mba handroaka azy teo fandrao misy variana ny hanina eo hono ka tsy mahita ny odian’ireo namany. Dia ataon’ny mpisorona indray ilay teny farany fampodiany azy na ny amin'ny Zanahary na ny amin'ny fahasivy. Ny rano ao anatin’ny fanovo ao an-tranon ’ny mpisorona dia afafiny amin'ny olona rehetra ao an-trano. Tahak’io koa no atao amin'ny sorona taoka. Ny vary na ny efa natao sorona na ny mbola sisa teroa ambilany dia azon’ny olona rehetra hanina avokoa.  c- Ny sorona ren-janaharyTsy dia miseho matetika raha tsy indraindray foana ity sorona ren-ja [nahary ity,]I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |