Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
Rehefa vita io teny io dia mampimpoaka basy indraim-bava izy atondrony ery amin'ny fahavalo. Tora-kovitra ilay hanafika mahita io tatalefona io ka mazàna mody maina ny sasany. Izany fahalalana an’Andriamanitra izany ho mpitsara marina izany dia zavatra velona tsara tao am-pony ka toy ny fefy lehibe nataon’Andriamanitra hiarovana ny baribarianina tsy hifamono sy hifandringana tsy misy antony. 
3- Ny isan’ny Andriamanitra izay inoany « Tsy iray Andriamanitra » hoy izy « fa maro ary ny olona rehetra dia samy manana Andriamanitra iray avy izay samy andriamaniny. » Ny andro iainan’ny olona dia miankina amin'ny toetr’io andriamaniny io avy. Ny manan-Tompo Ilay Andriamanitra be fiantra tsy mahafoy mason-javatra ho vonoina, fa onena azy dia matam-belo (tratr’antitra) vao maty. Fa ny manana ilay Andriamanitra ratsy fanahy izay tsy mba manan-kevitra hafa afa-tsy ny [zavatra ho vonoina ihany,] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |