2011/05/25
| |
Vitsy mpahalala ny asan'ny dokotera mpitsabo biby na ny "vétérinaire". Izy ireo rahateo tsy mahenika an'i Madagasikara satria tsy misy afa-tsy 300 no efa am-perin'asa raha toa ka manodidina ny 750 hatramin'ny 800 isa no ilain'ny firenena miankina amin'ny fambolena sy fiompiana tahaka an'i Madagasikara. Enin-taona no faharetan'ny fianarana ho mpitsabo biby. Ny taona 2001 no nisokatra ny sekoly ambony natokana ho amin'izany, izay miorina eny Ambatobe. Tao anatin'izay folo taona izay, dia andiany telo no efa navoakan'izany sekoly izany, ka ny andiany "Miaro" no andiany fahefatra, izay hivoaka tsy ho ela. Ny 12 sy ny 13 jona ho avy izao izy ireo dia hampahafantatra ny rehetra ny asan'ny dokotera mpitsabo biby eny Ampefiloha. |