|
|
|
|

Chapters and verses mentioning Jezabela

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
...............
1Mp 16.31 And it came to pass, as if it had been a light thing for him to walk in the sins of Jeroboam the son of Nebat, that he took to wife Jezebel the daughter of Ethbaal king of the Zidonians, and went and served Baal, and worshipped him. Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata. ka dia nampakatra an' i Jezebela, zanakavavin' i Etibala, mpanjakan' ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an' i Bala ka niankohoka teo anatrehany. Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin' ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata, ka dia nalainy ho vady Jezabela, zanakavavin' i Etbaala, mpanjakan' ny Sidoniana, ka dia lasa izy nanompo an' i Baala sy niankohoka teo anatrehany. La moindre chose fut qu' il imita les péchés de Jéroboam fils de Nebat : il prit pour femme Jézabel, fille d' Ittobaal, roi des Sidoniens, et se mit à servir Baal et à se prosterner devant lui ;
...............
1Mp 18.4 For it was so, when Jezebel cut off the prophets of the Lord, that Obadiah took an hundred prophets, and hid them by fifty in a cave, and fed them with bread and water.) ka nony naringan' i Jezebela ny mpaminanin' i Jehovah, dia nalain' i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo). fa fony Jezabela nandringana ny mpaminanin' ny Tompo, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany. lorsque Jézabel massacra les prophètes de Yahvé, il prit cent prophètes et les cacha cinquante à la fois dans une grotte, où il les ravitaillait de pain et d' eau -
...............
1Mp 18.13 Was it not told my lord what I did when Jezebel slew the prophets of the Lord, how I hid an hundred men of the Lord' s prophets by fifty in a cave, and fed them with bread and water? Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin' ilay namonoan' i Jezebela ny mpaminanin' i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin' i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo? Tsy mba nisy nilaza tamin' ny tompoko va ny nataoko tamin' ilay namonoan' i Jezabela ny mpaminanin' ny Tompo? Fa nanafina mpaminanin' ny Tompo zato lahy aho, nataoko dimampolo avy, any amin' ny zohy, novelomiko mofo sy rano. N' a-t-on pas appris à Monseigneur ce que j' ai fait quand Jézabel a massacré les prophètes de Yahvé ? J' ai caché cent des prophètes de Yahvé, cinquante à la fois, dans une grotte, et je les ai ravitaillés de pain et d' eau.
...............
1Mp 18.19 Now therefore send, and gather to me all Israel unto mount Carmel, and the prophets of Baal four hundred and fifty, and the prophets of the groves four hundred, which eat at Jezebel' s table. Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin' i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin' ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin' ny latabatr' i Jezebela. Koa ankehitriny, maniraha olona hamory an' Israely rehetra ao amiko, any an-tendrombohitra Karmela, mbamin' ny mpaminanin' i Baala dimampolo amby efa-jato sy ny mpaminanin' i Astarte efa-jato, izay mihinana amin' ny latabatr' i Jezabela. Maintenant, envoie rassembler tout Israël près de moi sur le mont Carmel, avec les quatre cent cinquante prophètes de Baal, qui mangent à la table de Jézabel. "
1Mp 19.1 And Ahab told Jezebel all that Elijah had done, and withal how he had slain all the prophets with the sword. Dia nolazain' i Ahaba tamin' i Jezebela izay rehetra nataon' i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin' ny sabatra. Nolazain' i Akaba tamin' i Jezabela avokoa ny nataon' i Elia, sy ny namonoany ny mpaminaniny rehetra tamin' ny sabatra. Achab apprit à Jézabel tout ce qu'Élie avait fait et comment il avait massacré tous les prophètes par l'épée.
1Mp 19.2 Then Jezebel sent a messenger unto Elijah, saying, So let the gods do to me, and more also, if I make not thy life as the life of one of them by to morrow about this time. Ary Jezebela naniraka olona tany amin' i Elia hanao hoe: Hataon' ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain' ny anankiray amin' ireny ny ainao raha maraina toy izao. Ka naniraka olona ho any amin' i Elia, Jezabela, hilaza aminy hoe: Hataon' ireo andriamanitra amin' izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain' izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao. Alors Jézabel envoya un messager à Élie avec ces paroles : " Que les dieux me fassent tel mal et y ajoutent tel autre, si demain à cette heure je ne fais pas de ta vie comme de la vie de l' un d' entre eux ! "
...............
1Mp 21.5 But Jezebel his wife came to him, and said unto him, Why is thy spirit so sad, that thou eatest no bread? Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao? Fa nankeo aminy kosa Jezabela vadiny, ka nanao taminy hoe: Nahoana no manjombona ny fanahinao ary tsy homan-kanina hianao Sa femme Jézabel vint à lui et lui dit : " Pourquoi ton esprit est-il chagrin et ne manges-tu pas ? "
...............
1Mp 21.7 And Jezebel his wife said unto him, Dost thou now govern the kingdom of Israel? arise, and eat bread, and let thine heart be merry: I will give thee the vineyard of Naboth the Jezreelite. Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin' ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok' i Nabota Jezirelita. Dia hoy Jezabela vadiny taminy: Moa hianao va no tompon' ny fanjakana amin' Israely ankehitriny? Koa miarena, hano ny hanina, ary aoka hifaly ny fonao, fa tenako no hanome anao ny tanim-boalobok' i Nabota avy ao Jezrahela. Alors sa femme Jézabel lui dit : " Vraiment, tu fais un joli roi sur Israël ! Lève-toi et mange, et que ton coeur soit content, moi je vais te donner la vigne de Nabot de Yizréel. "
1Mp 21.8 So she wrote letters in Ahab' s name, and sealed them with his seal, and sent the letters unto the elders and to the nobles that were in his city, dwelling with Naboth. Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin' ny anaran' i Ahaba, ka notombohiny tamin' ny fanombohan-kasen' andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin' ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin' i Nabota. Dia nanoratra taratasy tamin' ny anaran' i Akaba izy, nasiany tombo-kasen' ny mpanjaka, nalefany ho any amin' ny loholona sy ny andriam-baventy ao an-tanàna miara-monina amin' i Nabota. Elle écrivit au nom d' Achab des lettres qu' elle scella du sceau royal, et elle adressa les lettres aux anciens et aux notables qui habitaient avec Nabot.
...............
1Mp 21.11 And the men of his city, even the elders and the nobles who were the inhabitants in his city, did as Jezebel had sent unto them, and as it was written in the letters which she had sent unto them. Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan' i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin' ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy. Nanao araka izay nanirahan' i Jezabela holazaina aminy araka izay voasoratra amin' ny taratasy nampitondrainy azy, ny olona tao an-tanànan' i Nabota, ny loholona sy andriambaventy nonina tao an-tanànany. Les hommes de la ville de Nabot, les anciens et les notables qui habitaient sa ville, firent comme Jézabel leur avait mandé, comme il était écrit dans les lettres qu' elle leur avait envoyées.
...............
1Mp 21.14 Then they sent to Jezebel, saying, Naboth is stoned, and is dead. Dia naniraka tany amin' i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty. Dia naniraka tany amin' i Jezabela izy ireo, nilaza hoe: Notoraham-bato Nabota ka maty. Puis on envoya dire à Jézabel : " Nabot a été lapidé et il est mort. "
1Mp 21.15 And it came to pass, when Jezebel heard that Naboth was stoned, and was dead, that Jezebel said to Ahab, Arise, take possession of the vineyard of Naboth the Jezreelite, which he refused to give thee for money: for Naboth is not alive, but dead. Ary rehefa ren' i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin' i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok' i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty. Nony ren' i Jezabela fa notoraham-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin' i Akaba: Mitsangana ka alao ho anao ny tanim-boalobok' i Nabota avy any Jezrahela izay nolaviny tsy hamidy vola taminao, fa efa tsy velona intsony Nabota, fa efa maty izy. Lorsque Jézabel eut apprit que Nabot avait été lapidé et qu' il était mort, elle dit à Achab : " Lève-toi et prends possession de la vigne de Nabot de Yizréel, qu' il n' a pas voulu te céder pour de l' argent, car Nabot n' est plus en vie, il est mort. "
...............
1Mp 21.23 And of Jezebel also spake the Lord, saying, The dogs shall eat Jezebel by the wall of Jezreel. Ary ny amin' i Jezebela koa dia nolazain' i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an' i Jezebela eny ivelan' ny màndan' i Jezirela. Jezabela koa, nasian' ny Tompo teny hoe: Hohanin' ny alika eny akaikin' ny hadin' i Jezrahela Jezabela. Contre Jézabel aussi Yahvé a prononcé une parole : "Les chiens dévoreront Jézabel dans le champ de Yizréel. "
...............
1Mp 21.25 But there was none like unto Ahab, which did sell himself to work wickedness in the sight of the Lord, whom Jezebel his wife stirred up. Fa tsy nisy tahaka an' i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason' i Jehovah, satria nampirisihin' i Jezebela vadiny izy. Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an' i Akaba hanao izay ratsy eo imason' ny Tompo, satria Jezabela vadiny no namporisika azy. Il n' y eut vraiment personne comme Achab pour agir en fourbe, faisant ce qui déplaît à Yahvé, parce que sa femme Jézabel l' avait séduit.

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 9.7 And thou shalt smite the house of Ahab thy master, that I may avenge the blood of my servants the prophets, and the blood of all the servants of the Lord, at the hand of Jezebel. Ary hamely ny tamingan' i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an' i Jezebela ny ran' ny mpaminany mpanompoko sy ny ran' ny mpanompon' i Jehovah rehetra. Hamely ny tranon' i Akaba tomponao hianao, ary hampanodiaviko an' i Jezabela ny ran' ny mpaminany mpanompoko, sy ny ran' ny mpanompon' ny Tompo rehetra. Tu frapperas la famille d' Achab, ton maître, et je vengerai le sang de mes serviteurs les prophètes et de tous les serviteurs de Yahvé sur Jézabel
...............
2Mp 9.10 And the dogs shall eat Jezebel in the portion of Jezreel, and there shall be none to bury her. And he opened the door, and fled. Ary Jezebela hohanin' ny alika ao amin' ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra. Hohanin' ny alika eo amin' ny sahan' i Jezrahela Jezabela, ary tsy hisy olona handevina azy. Dia novohan' ilay zatovo ny varavarana, ka lasa nandositra izy. Quant à Jézabel, les chiens la dévoreront dans le champ de Yizréel; personne ne l' enterrera." Puis il ouvrit la porte et s' enfuit.
...............
2Mp 9.22 And it came to pass, when Joram saw Jehu, that he said, Is it peace, Jehu? And he answered, What peace, so long as the whoredoms of thy mother Jezebel and her witchcrafts are so many? Ary Jorama, nony nahita an' i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan' i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony? Raha nahita an' i Jeho Jorama, dia nanao taminy hoe: Fihavanana va izao, ry Jeho? Fa namaly kosa Jeho: Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan' i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony? Dès que Joram vit Jéhu, il demanda : "Cela va-t-il bien, Jéhu?" Celui-ci répondit : "Quelle question, tant que durent les prostitutions de ta mère Jézabel et ses nombreux sortilèges!"
...............
2Mp 9.30 And when Jehu was come to Jezreel, Jezebel heard of it; and she painted her face, and tired her head, and looked out at a window. Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy. Dia niditra tao Jezrahela Jeho. Raha nandre izany Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy. Jéhu rentra à Yizréel et Jézabel l' apprit. Elle se farda les yeux, s' orna la tête, se mit à la fenêtre
2Mp 9.31 And as Jehu entered in at the gate, she said, Had Zimri peace, who slew his master? Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo? Nony niditra ny vavahady Jeho dia hoy izy: Fihavanana va izao, ry Zamrì, mpamono tompo? et, lorsque Jéhu franchit la porte, elle dit : "Cela va-t-il bien, Zimri, assassin de son maître?"
...............
2Mp 9.36 Wherefore they came again, and told him. And he said, This is the word of the Lord, which he spake by his servant Elijah the Tishbite, saying, In the portion of Jezreel shall dogs eat the flesh of Jezebel: Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin' i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an' i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin' ny tany Jezirela no hihinanan' ny alika ny nofon' i Jezebela, Ka niverina nilaza izany tamin' i Jeho izy, fa hoy izy: Izany no tenin' ny Tompo notononiny tamin' ny alàlan' i Elia Tesbita, nataony hoe: Hohanin' ny alika ao amin' ny sahan' i Jezrahela ny nofon' i Jezabela, ary hanahaka ny zezika eo ambonin' ny tany ao amin' ny sahan' i Jezrahela ny fatin' i Jezabela, ka tsy ho azo lazaina akory hoe: Jezabela ity. On revint en informer Jéhu, qui dit : "C' est la parole de Yahvé, qu' il a prononcée par le ministère de son serviteur Elie le Tishbite : Dans le champ de Yizréel, les chiens dévoreront la chair de Jézabel,
2Mp 9.37 And the carcase of Jezebel shall be as dung upon the face of the field in the portion of Jezreel; so that they shall not say, This is Jezebel. Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin' ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity. le cadavre de Jézabel sera comme du fumier épandu dans la campagne, en sorte qu' on ne pourra pas dire : C' est Jézabel."

  The Revelation Apokalypsy Fanambaràna L'Apocalypse
...............
Apo / Ap 2.20 Notwithstanding I have a few things against thee, because thou sufferest that woman Jezebel, which calleth herself a prophetess, to teach and to seduce my servants to commit fornication, and to eat things sacrificed unto idols. Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin' ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin' ny sampy. Manan-teny kely aminao anefa aho, satria i Jezabela ilay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin' ny sampy. Mais j' ai contre toi que tu tolères Jézabel, cette femme qui se dit prophétesse ; elle égare mes serviteurs, les incitant à se prostituer en mangeant des viandes immolées aux idoles.