Entry ririnina
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) [1.1]
Explanations in English Winter, the cold and dry season [1.7]
Explanations in French L'hiver, la saison froide et sèche [1.8]
Examples 
1natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
2Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Vocabulary 
Morphology 
Simple : ririnina, ririnim-, ririnim', ririnin-, ririnin'
Prefixed : -dririnina, -dririnim-, -dririnim', -dririnin-, -dririnin'
Derivatives 
Synonyms main-tany
Compound words 
Phytonyms 
Titles Lohataona sy ririnina (Ratsifandrihamanana Clarisse)
Ririnina (Andrianjatovo Haëckel)
Ririnina ny andro
Analogs  lohataona ~ fahavaratra ~ fararano
Proverbs 

Entry Ririnina
Elementary words ririnina
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Andrianjatovo Haëckel
Vocabulary 
Tables and plates All the titles
Text Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
No be sorisory sy maloka lava?
Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
Ny fara-masoandro natao hanazava

Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha

Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
Fitopa malefaka sy eri-mitaika
No reko mahalana, tony dia tony
Nankaiza ny riana mahery fiantraika?

Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
Ny tendron-kavoana no mangadihady?
Mahaiza mandinika rehefa mitazana
Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady

Izany ka izany no tsy andrenesana
Ny vazon'ny vorona zatra mihira
Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
Ka lasa mihataka arý an-dakira

Izany ka izany no tsy ahitana
Aina marisika, vonon-kiasa
Ny andro kanefa dia mbola hafana
Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Updated on 2023/08/12