Entry evanjelistra
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Anarana ampiasain' ny Testamenta Vaovao Asa 21:8, Efes 4:11, 2, Tim. 4:5, ilazany ny olona izay nandehandeha nitory ny Filazantsara ka namboa-dalana hiorenan' ny fiangonana kristiana ao amin' izay toerana misy olona maromaro mety nandray azy. Tsy nitoetra ho mpitandrina fiangonana iray izy, fa nifindrafindra nitaona ny olona hino an' Jesosy Kristy ho Mpamonjy. Toy izany Filipo, anankiray amin' ny diakona fito lahy nofidina voalohany, dia ilay Filipo avy tany Kaisaria. Toy izany koa ilay Timoty avy tany Efesosy izay taizan' i Paoly ara-panahy.
Taorian' ny andron' ny Apostoly, ny hoe evanjelistra dia nilazana koa ny olona izay namaky ny Soratra Masina sy nanazava azy tao am-piangonan' ny kristiana.
Natao hoe evanjelistra koa izy efa-dahy nanoratra ny Filazantsara efatra: Matio, Marka, Lioka, Jaona.
Ankehitriny dia izany asany mandehandeha mitory ny Filazantsara izany ihany koa no anaovana ny olona hoa evanjelistra. Anefa raha mitandrina fiangonana maromaro koa izay ivezivezeny izy dia atao hoe evanjelistra. Toy izany ny "Evanjelistra Iraky ny Isanenimbolan' Imerina", izay alefa sy iantohan' ny fitambaran' ny fiangonana protestantra rehetra eto Imerina, miray amin' ny Misiona telo tonta dia ny LMS, ny FFMA ary ny MPF. Efa manana ny faritany manokana iasany ny evanjelistry ny Isanenimbolana any anindrana. [1.10]
Explanations in French Espèce d'intendant, d'inspecteur de temples chez les Protestants [1.3]
Examples 
1Eny, marina tsy misy isalasalana izany, hoy ilay evanjelistra. [2.357]
2Ny ray aman-dreniny mpivavaka sady evanjelistra nanampy izany; [2.324]
3Rarivo Evanjelistra tao no voatendry no Goverinora sy Komandy. [2.508]
4Ravokatra, Evanjelistra, any Vato-mandry, no nitoriteny [2.649]
Vocabulary 
Analogs  evanjelisitra ~ evanjelista

Updated on 2022/05/01