balance   
adimizana
laharana fahafito amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny antokon-kintana, izay ataon' ny Arabo hoe El-mizân (Balance).
Ny Adimizana dia reni-vintana mitretro ny Alakarabo, ary mibaby ny Asombola. Eo anjorom-baravarambe (atsimon-andrefana) no filaharany, ary mivoaka sy miditra eo ny soa sy ny ratsy.
Isan' ny andro mahery ny Adimizana, ka ny ozona atao amin' ny olona vintan' Adimizana, dia manjary mivadika ho soa azy; tsy maty vonoina izy, fa tahaka ny varavarambe, ka na atositosika marain-tsy hariva aza dia tsy mankaiza fa mbola anton' ny trano eo ihany.
Ny olona izay manana vintana mifandratra amin' ny Adijady, raha ta-hanao zavatra tian-ko mafy sy mateza, dia manao izany amin' ny vonton' Adimizana, indrindra fa ny hampaka-bady. Saingy atahotahorana ihany amin' izay ny tsy ho marina am-panambadiana, satria mivoha lava ny varavarambe (Adimizana); ka dia andevenana vatokilonjy ao ambany tokonana, mba tsy hihetsiketsika tahaka iny vato nalevina iny ny mpanambady.
Ny kintana telonohorefy dia atao hoe Adimizana, noho ny filahatr' ireo kintana telo ireo, izay hoatra ny tsara lanja mihitsy, sady manana ny endriky ny vovona-mizana : misy fisasahany hampitoviana ny lanjan-javatra.
Ny Alahamady no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adimizana; ary ny mitanila eo amin' ny Alohotsy sy ny Adaoro kosa no iarenany sy iandrianany.
Ny zaza teraka Adimizana dia ampitahirizina mizana, ary tsy mba avela hitafy lamba tohi-loha. Omby sada sy akoho maramara no manambina azy raha ompiany. [1.10]
ahilangilana
qu'on balance, qu'on fait osciller [1.3]
akivilivily
à faire balancer, à faire osciller, qu’on fait tourner [1.3]
qu'on balance, qu'on fait osciller [1.8]
fandanjana
l'action de peser, la balance, les instruments pour calculer, pour prendre les mesures [1.3#385]
fiantsaviliana
l’action de jouer à l’escarpolette, où l’on se balance [1.3#56]
hilangilanina
qu'on balance, qu'on fait osciller [1.3]
kiranga
balance. [1.19]
mizana
balance [1.3, 1.8]
mizanam-barotra
balance commerciale [1.13]
mizanam-bola
balance des comptes [1.13]
mpanindrahindra
celui qui berce, qui balance, comme les nourrices [1.3]
mpiantsavily
celui qui se balance [1.3#56]
pirenje
Celui qui se balance [1.68]
tafahevingevina
qui balance [1.3]
tafahilangilana
qui se balance [1.3]
voahevingevina
balancé [1.3]