Entry Fitadiavan-kaingo
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Rajonah (Tselatra)
Publishings 1910/11/11. Vaovao frantsay-malagasy.
Vocabulary 
Tables and plates All the titles
Text - Andeha mba hirahiko, ry Koto, andeha mba hohafarako: lazao an'Andriantsimihontsina fa feno olona ny tsena fa voafafa rahomaly ny kianja; mikotaba ny zana-bahoaka fa voantso fe-maraina ny lanonana. Ikala orinao kosa, hono, hoe mipitrapitra tsy misy hotapahina, migaingaina tsy mahita hiravahana: raha nalaina ho faditry ny olona, dia naleony ihany mba nitampify tamin-dray aman-dreny !

- Fa ianao ve, Ramatoa, mba ivelany toa tokonana fa tsy ny toko mahita ny fatana; tsy ny volombodintrano manarangarana fa ny io aty rindrina manoloana? Tsy ilazana ianao vao mahalala, tsy toroana vao mahafantatra, fa hitanao avokoa ny misy sy ny tsy misy. Hotobaina, tsy an'iza fa ho anao; hotsitsina, tsy an'iza fa ho anao, ka manarana, mihevitrevera, fa sao rodarodain'ny mpanana ka mandany kitay merika andro !


Updated on 2020/07/31