Entry embona
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana
Mitovy hevitra: hanina [1.1]
Explanations in English Sigh [1.209]
Explanations in French Regret
Soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu [1.3]
Examples 
1Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314]
2Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356]
3Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529]
Vocabulary 
Derivatives 
Titles Embona (Razafindrafidy Bien-Aimé)
Tsy embona (Rabearivelo Jean-Joseph)

Entry embona
Part of speech noun
Explanations in French  [Tankarana] Flotter [1.19]
Derivatives 
 

Entry Embona
Elementary words embona
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Razafindrafidy Bien-Aimé
Text 
Midona malefaka ery Ankaratra,
vaky tsipelana ny eny Anjafy.
Midona kanefa tsy fahavaratra,
fa erika kely no re mifafy.

Lanitra soa, tomarataratra,
otronin'ny rahona mitsitoko,
kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
zary manjombona sy manjoko.

Ankaratra ô! nahoana kosa,
manembona ve ilay nisaraka,
ka ny tolokony miavosa
eo aminao no te-hiraraka?…

Raha manina izy ka mitomany,
lalim-pisento fa te-hiverina,
asaivo mitony hangina ihany
fa toraka izany'lay eto Imerina!

Ny sentom-pony raha tonga fatra
- ka indro mandrotika ny fanahy -
aoka hionona fa ny ratra
iombonako aminy lavitra ahy!

Tsy oram-baratra no midona, fa
fo feno hanina no miteny,
ka ny vetsom-panahiny kely foana
tsy sasa-mivezika sy manjeny.

Eny, ry rahona ery Ankaratra!
ry rahona fotsy iaraha-mijery,
meteza ianao mba ho fitaratra
hampita ny sarin'ilay miery.

Vaky tsipelana ve Anjafy
ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
Raha izy misento ka mafimafy,
ny foko no toy ny latsaham-baratra!
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Anagrams 

Updated on 2023/10/26