Entry | alakamisy | ||||
Part of speech | noun | ||||
Explanations in Malagasy | (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy;
Soehily Alhamisi). Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina. Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa. Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho. [1.10] | ||||
Andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina. [1.1] | |||||
Explanations in English | Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.] [1.2] | ||||
Thursday [1.7] | |||||
Explanations in French | Jeudi [1.3, 1.8, 1.5, 1.14] | ||||
~ Amin'ny alakamisy (À jeudi) ~ Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nu [...] [full text in 1.5] | |||||
[Tanala] Jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi] [1.6] | |||||
Explanations in Italian | Giovedi [1.18] | ||||
Explanations in German | Donnerstag. Amin'ny alakamisy faha...: am Donnerstag, dem/den... Ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy: die Nacht von Mittwoch auf Donnerstag. [1.56] | ||||
Examples |
| ||||
Vocabulary | Time | ||||
Toponyms |
| ||||
Tables and plates | Measure of Time | ||||
Proverbs | Proverbs containing the word alakamisy | ||||
Entry | alakamisy | ||||
Part of speech | noun | ||||
Explanations in Malagasy | Hazo anaovana fanafody Crateva excelsa.
Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens). [1.1] | ||||
Explanations in English | A tree used in house-building.
It is said to be brought from the forest only on Thursdays,
hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and
indigestion. Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head. [1.2] | ||||
Explanations in French | Arbre dont on fait des remèdes. [1.3] | ||||
[Tankarana] Nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques. [1.19] | |||||
Explanations in English | Burasaia crateva [2.515] | ||||
Explanations in French | [Bezanozano]
(de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste.
Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles.
Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes.
Ce sont principalement : Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae). Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae). Crateva excelsa Bojer (Capparaceae). Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae). Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae). [1.196] | ||||
Scientific name | Crateva excelsa, Euodia chapelieri, Schismatoclada psychotrioides | ||||
Examples | alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano
[2.48] | ||||
Vocabulary | Botany: tree ~ Health | ||||
Quotes | Texts mentioning alakamisy | ||||
Bibliography | Schatz: Generic Tree Flora of Madagascar | ||||
Entry | Alakamisy | ||||
Part of speech | name (toponym) | ||||
Explanations in Malagasy | Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo. [1.10] | ||||
Anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1] | |||||
Explanations in English | The place where Thursday's market is held. [1.2] | ||||
Explanations in French | Les marchés du jeudi: l'emplacement du marché [1.3] | ||||
Marchés du jeudi. [1.5] | |||||
Examples | Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' Alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina
[2.48] | ||||
Vocabulary | Geography: towns | ||||
Coordinates | -21.9, 46.9166667
-20.45, 47.2833333 -20.2, 47.3166667 -18.8333333, 46.5666667 -18.65, 47.7 -18.5333333, 47.9333333 | ||||
Toponymy | alakamisy | ||||
Anagrams | alakamisy, misaliaka |
Updated on 2020/12/15 |
![]() |