Rabesahala Gis��le




 
  Quotes : Rabesahala Gis��le


Taratra
2011/06/28
Nodimandry, omaly teo amin'ny faha-82 taonany i Gisèle Rabesahala. Teraka tamin'ny 7 mey 1929 teto Antananarivo ny tenany. Nahafantarana azy teo amin'ny politika ny nisahanany ny sekretera jeneralin'ny antoko Akfm/ Kdrsm naorin'ny Pasitera Richard Andriamanjato. Mpanolotsaina politikan'ny Akfm no andraikitra noraisiny farany nialohan'izao nahafatesany izao. Efa nisahana andraikitra ambony teto amin'ny firenena izy. Minisitry ny kolontsaina sy ny zavakanto revolisionera tamin'ny fitondran'i Didier Ratsiraka nanomboka ny taona 1976 ka hatramin'ny 1991 nialan'ny Amiraly teo amin'ny fitantanana ny firenena. Noho izy anisan'ny vehivavy nitana andraikitra teto amin'ny firenena, nampirisika ny vehivavy hiditra an-tsehatra sy handray andraikitra amin'ny raharaha politika koa ny tenany.

Anisan'ny mpanorina ny gazety Imongo Vaovao i Gisèle Rabesahala. Teo amin'ny lafiny sosialy, anisan'ny mpikambana mpanorina ny Fifanampiana malagasy (Csm) ka nitondra fanohanana teo amin'ny fanabeazana sy ny fahasalamana izy. Nanaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena ary niteny sy naneho ny heviny hatrany tamin'ireo tranga samihafa nanamarika ny tantara ny tenany.