Index

Proverbs : tsindretra

Proverb 1Mitondra tandroho tsy hanihika ka mampitsangam-bolo ny tsindretra. [2.558 #2481]

Proverb 2Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina mitsimpon-tsindretra. [2.558 #3500]
Rafotsibe lavo an-tambiazina: lavo, manao an-tora-body; miarina, mitsimpon-tsindretra; mody, manao endy kely. [2.415 #1893, 2.558 #3499, 2.653 #2602]
Rafotsibe lavo antambiazina: raha tafarina mitsimpona tsindretra. [1.1]
Rafotsibe lavo an-tambiazina : raha tafarina, mitsimpon-tsindretra. [2.653 #2603]
Tahaka an-dRafotsibe lavo an-tambiazina : raha tafarina, mitsimpon-tsindretra. [2.415 #1934]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona azon' ny fahavoazana mafy, ka raha afaka avy ao aza, mbola tsy ambinina. [1.1]
French translationC' est comme la vieille qui est tombée dans de l' eau ferrugineuse : quand elle se relève, au lieu de penser à sa chute elle ramasse des larves de libellules. [2.415 #1934]
Vieille qui est tombée dans de l' eau ferrugineuse : une fois tombée elle s' assied ; quand elle se relève, elle attrape des larves de libellules, et de retour chez elle les fait griller pour les manger. [2.415 #1893]
French interpretationCe proverbe se moquait des vieilles à courte vue, aux idées étroites. [2.415 #1893]
Se disait des petites idées et courtes vues. [2.415 #1934]

Proverb 3Tsy hita izay hiainana, fa hoatry ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano ; mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [2.415 #5833]
Tsy hita izay hiainana, fa ohatra ny tsindretra anaty tambiazina: mankamy ny marivo, tsindrohin’ ny vano; mankamy ny lalina, paohin’ ny mamba. [2.653]
Tsy hita izay hiainana, fa toy ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano, mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [2.558 #4496]
French translationOn ne sait comment vivre, car on est comme les larves de libellules dans une eau ferrugineuse : si elles sont dans les endroits peu profonds, le héron les prend une à une avec le bec ; si elles sont dans les endroits profonds, le caïman les rafle. [2.415 #5833]

Proverb 4Tsy misy fatra-piahy tena ohatra ny tsindretra, fa famaky kely iray sy katsomanta telo no entiny, fa raha tamy ny tandroho misitrika. [2.653]
Tsy misy fatra-piahy tena, toy ny tsindretra, fa famaky iray, katsomanta telo. [2.558 #4707]

Proverb 5Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy, ka samia mitoetra amin' ny onin-drainy. [2.558 #4441]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahonamandry an-tatatra, mamba mandry an-osy : samia mitoetra amy ny onin-drainy. [2.653 #3311]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy : samia mitoetra amin' ny onin-drainy. [2.415 #865, 2.974]
French translationLa libellule se repose dans la rizière, la grenouille dans les rigoles humides, le caïman sur les îlots du fleuve : qu’ainsi chacun demeure à sa place (dans sa rivière d’origine). [2.974 #122]
Larves de libellules dans les rizières, grenouilles dans les canaux, caïmans dans les îlots, que chacun demeure dans l' eau de ses pères. [2.415 #865]
French interpretationChacun doit rester dans sa condition et garder ses usages. [2.415 #865]

Index