Index

Proverbs : saro-tahotra

Proverb 1Aza matahotra ny masony nefa te-hividy ny lohany. [2.558 #705]
Matahotra ny masony ka no te-hividy ny lohany. [2.558 #2165]
Nahoana no saro-tahotra ny masony, ka tia vidy ny lohany ? [2.415 #6013, 2.653 #2066]
Saro-tahotra ny masony ka te hividy ny lohany. [2.165 #1184, 1.1]
Saro-tahotry ny masony, ka te-hividy ny lohany. [2.415]
Saro-tahotry ny masony ka te-hividy ny lohany, manahy ny sofin-jaza ho lava, ka no miala liana amin' ny bitro ! [2.558 #3850]
Saro-tahotry ny masony, ka tia vidy ny lohany. [2.415]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona matahotra noho ny zavatra nataony ihany. [1.1]
French translationComment, ayant peur de l' oeil, prétendez-vous acheter la tête ? [2.415]
Il a peur des yeux du mouton, et il veut cependant en acheter la tête. [2.415 #3819]
Vous craignez les yeux et vous voudriez acheter toute la tête! [2.165 #1184]
French interpretationSe disait des fanfarons. [2.415 #6013]
Se disait des gens désireux d' une chose et qui ne se laissent pas arrêter par le danger ou la crainte ; se disait aussi des fanfarons et de ceux qui veulent avoir une chose sans se donner de peine pour l' obtenir. [2.415 #3819]

Proverb 2Saro-tahotra ny masony, ka tia vidy ny lohany. [2.653 #2871]

Index