Index

Proverbs : mpianakavy

Proverb 1Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobena, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobina, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina, ny mahery tsy hobena. [1.1 #780]
Adin' ombilahin’ ny mpianakavy : ny mahery tsy hobena, ny resy, tsy akoraina. [2.653 #17]
Malagasy interpretationRaha misy olona roa na antokon' olona roa tonta samy tiana mifaninana, izay mandresy aminy tsy tokony hoderaina mihoapampana, ary toraka izany koa, izay resy aminy tsy tokony hoesoina izaitsizy. [1.1 #437]
Raha mpihavana no miady eny amin' ny fitsarana, noho ny fitsimbinana ny fihavanana, dia tsy akoraina izay resy ary tsy hobena izay maharesy. [1.1 #780]

Proverb 2Isika izao anie ka mpianakavy iray ihany: hadina, iray fototra ; raofina, iray harona. [2.974 #404, 2.653]
French translationNous sommes tous d’une même famille : fouillez la terre, c’est la même souche ; ramassez le tout, c’est la même corbeille. [2.974 #404]

Index