Proverbs : mpanana

Proverb628 Aoka fa ny renikely no manana adidy . [Rinara 1974 #321]
Aoka, fa ny renikely no mpanana adidy . [Houlder 1895 #1872, Veyrières 1913 #933, Cousins 1871 #273]
Ny renikely mpanana adidy . [Veyrières 1913 #933]
French translation Assez! c' est la belle-mère qu' il faut blâmer. [Houlder 1895]
Marâtre : alors même qu' elle traite bien les enfants de l' autre femme, on l' accuse de partialité. [Veyrières 1913 #933]
French interpretation On rejette tout sur elle, les belles-mères n' ayant pas meilleure réputation à Madagascar qu' ailleurs. [Houlder 1895]
Se disait de ceux qui étaient censurés malgré tous leurs efforts. [Veyrières 1913 #933]

Proverb738 Atero ka alao ohatra ny nampisambotra ny mpanana . [Rinara 1974 #343]
Atero koa alao, hoatry ny mampisambotra ny mpanana . [Veyrières 1913 #4426]
Atero koa alao, ohatra ny mampisambotra ny mpanana. [Cousins 1871]
French translation Apportez et emportez, c' est comme celui qui prête de l' argent à un riche. [Veyrières 1913 #4426]

Proverb1610 Basi- na ariary fito : tsy takatry ny ory , tsy tian' ny mpanana . [Rajemisa 1985]
Basin' ariary fito : sady tsy tian' ny mpanana no tsy takatry ny ory . [Rinara 1974 #850]
Basin' ariary fito : tsy tian' ny mpanana ary tsy takatry ny mahahelo . [Rajemisa 1985]
Basin’ ariary fito : tsy tian’ ny mpanana , tsy takatry ny malahelo . [Cousins 1871]
Salasala ohatra ny basin' ariary fito : tsy takatry ny malahelo , tsy tian' ny mpanana . [Houlder 1895]
French translation Douteux comme un fusil de sept piastres:. [Houlder 1895]
French interpretation les pauvres ne peuvent l' acheter, les riches ne l' aiment pas. [Houlder 1895]

Proverb2108 Firinga mievotra ka mizahozahoalohan' ny mpanana . [Rinara 1974 #1164]

Proverb3359 Malahelo miresaka amy ny mpanan-karena : raha tonga mitaina hidin-trano . [Cousins 1871 #1450]
Malahelo miresaka amin' ny mpanan-karena : ka nony tonga mitain-kidin-trano . [Veyrières 1913]
Malahelo miresaka amin' ny mpanan-karena : raha tonga mitaina hidin-trano . [Veyrières 1913]
Malahelo mitafa amin' ny mpanan-karena : ka raha tonga mitain-kidin-trano . [Houlder 1895 #1450]
Malahelo mitafasiry amin' ny mpanana , ka raha tonga mitaina hidin-trano . [Rinara 1974 #1920]
Miara- mitafa amin' ny mpanan-karena , ka raha tonga mitain-kidin-trano . [Veyrières 1913]
Mitafa amin' ny mpanan-karena ka raha tonga mitain-kidin-trano . [Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Izay mandany andro miresaka amin' ny mpanan-karena, dia ho lany ny efa kely eo an-tanany. [Rajemisa 1985]
French translation Pauvre qui bavarde avec les riches, quand il rentre chez lui, il est obligé pour faire sa cuisine, de brûler le bois qui lui sert à fermer la porte. [Veyrières 1913 #2529]
Pauvre qui cause avec les riches : quand il rentre chez lui, il est obligé pour faire sa cuisine, de brûler le bois qui lui sert à fermer la porte. [Veyrières 1913 #2517]
Un pauvre s' entretenant avec un riche: de retour chez lui, il brûle la fermeture de sa maison. [Houlder 1895]
French interpretation A le voir causer avec l' autre, on ne le dirait pas pauvre; mais il l'est tellement que faute d' autre combustible, il est obligé de brûler le morceau de bois servant à fermer sa porte. [Houlder 1895]
Se disait des pauvres qui, au lieu de travailler et de faire leur provision de paille à brûler, perdaient leur temps à bavarder avec les riches. [Veyrières 1913 #2529]
Se disait des pauvres qui, au lieu de travailler, perdaient leur temps à bavarder avec les riches. [Veyrières 1913 #2517]

Proverb3365 Malahelo tsy ananan' olon-trosa : mba isan' ny mpanana ihany. [Rinara 1974 #1925]

Proverb4117 Midohaka amin' ny be tsy ho an' ny tena ohatra ny vadin-kelin' ny mpanana . [Rinara 1974]

Proverb4307 Misalasala toa hava-nalaina , miditra ny tranon' ny mpanana . [Rinara 1974 #2398]

Proverb4353 Mitafa amy ny mpanana , ka raha mody dia foto-kahoriana . [Cousins 1871 #1849]
Mitafa amin' ny mpanana , ka raha mody dia foto-kahoriana . [Veyrières 1913 #2538]
Mitafa amin' ny mpanana ka raha mody vontom-pahoriana . [Rinara 1974 #2428]
French translation Pauvre qui perd son temps à bavarder avec les riches : quand il rentre chez lui, le malheur l' attend pour l' accabler. [Veyrières 1913 #2538]

Proverb4354 Mitafa amin' ny mpanana noho ny tena , ka mandre ny "izaho" miaraka aman-trerona ! [Rinara 1974 #2429]

Proverb4663 Mpitovo mananatra mpanambady : hendry , ka tsy manan-ko an-tena ! [Veyrières 1913 #6515]
Mpitovo mananatra ny manana . [Rajemisa 1985]
Mpitovo mananatra ny manana, handry ka tsy manan-ko an-tena. [Houlder 1895]
Mpitovo mananatra ny manana : hendry, ka tsy manana ho an-tena. [Cousins 1871 #1991]
Mpitovo mananatra ny mpanambady , ka handry tsy manan-ko an-tena. [Houlder 1895]
Mpitovo mananatra ny mpanana : mahay ka tsy manan-ko an-tena. [Rinara 1974 #2628]
Malagasy interpretation Enti-milaza ny tanora tia manorotoro hevitra, ka izy tsy mbola nitondra tokantrano indray no mba mananatranatra ny efa manambady. [Rajemisa 1985]
French translation Célibataire qui admoneste un homme marié : il est sage, mais pas pour lui-même ! [Veyrières 1913 #6515]
Un jeune homme non marié donnant des conseils à un homme marié: il a de la sagesse (pour les autres), mais n' a pas de femme lui-même. [Houlder 1895]
Un jeune homme (ou: un célibataire) qui donne des conseils à celui qui est marié: il s' y connaît sans être marié lui-même! [Houlder 1895]

Proverb5291 Ny malahelo tsy mba havan' ny manana . [Veyrières 1913 #2545]
Ny malahelo tsy mba havan' ny mpanana . [Veyrières 1913 #2545]
French translation Les malheureux ne sont pas les parents des opulents. [Veyrières 1913 #2545]
French interpretation Se disait des riches méprisant les pauvres. [Veyrières 1913 #2545]

Proverb5768 Noroboroboin' ny mpanana , ka very tsy nisy mpanavotra . [Rinara 1974 #2812]

Proverb6054 Raha kamboty tsara laoka , ary malahelo ary fady , dia mba isan' ny mpanan-karena ihany. [Veyrières 1913 #1039, Cousins 1871]
Raha kamboty tsara laoka , ka malahelo àry fady , dia isan' ny mpanana ihany. [Rinara 1974 #3589]
French translation Orphelin qui trouve une bonne nourriture, et malheureux qui ne manque de rien : c' est comme s' ils étaient riches. [Veyrières 1913 #1039]
French interpretation Ce proverbe se disait des bonnes aubaines. [Veyrières 1913 #1039]

Proverb6354 Roboroboin' ny mpanana ka ny mahantra avy no manao be fahandro . [Veyrières 1913 #2243, Rajemisa 1985]
Rodarodain' ny mpanan-karena , ka ny malahelo avy no manao be fahandro . [Veyrières 1913 #2403, Cousins 1871 #2800]
Malagasy interpretation Aoka tsy ho voatariky ny olona tsy mitovy amin' ny tena ka manao toa azy na dia mety hanimba ny tena aza. [Rajemisa 1985]
French translation En voyant les riches dépenser avec prodigalité, les pauvres eux-mêmes dépensent beaucoup pour leur nourriture. [Veyrières 1913 #2403]
L' exemple des riches porte à se livrer au plaisir ; à leur suite les pauvres eux-mêmes font bonne cuisine. [Veyrières 1913 #2243]
French interpretation Les petits imitent les grands. [Veyrières 1913 #2243]

Proverb6770 Taitry ny mpanana ka mitery omby mitohatra . [Houlder 1895 #2280, Rinara 1974 #3999]

Proverb7088 Tohiloha landy : sady tsy takatry ny malahelo no tsy tian' ny mpanana . [Rinara 1974 #4149]

Proverb7359 Tranobongo halan-tsetroka , olon' ory halan' ny mpanana . [Rinara 1974 #4382]

Proverb7963 Vahiny mpanana ka mampidodododo ny olona . [Rinara 1974 #323]

Index