Index

Proverbs : mihiratra

Proverb 1Mason-tana : be amontorana, fa kely am-pihiratana. [2.653, 2.558]
Mason-tana : be amontorana fa kely mihiratra. [2.653]
Mason-tana: be hamontirana, fa kely am-pahiratana. [2.165 #1372]
French translationLes yeux du caméléon: ils forment de grosses saillies (à cause des paupières), mais (comme organes servant à voir) ils sont petits. [2.165]

Proverb 2Ny voalavo no tsy mihetsika, ny saka no mbola mihiratra. [2.974 #276]
Ny voalavo no tsy nihetsika, ny saka no mbola mihiratra. [2.653 #2484]
French translationSi le rat est immobile, c’est que le chat a encore l’œil ouvert. [2.974 #276]

Proverb 3Volamena latsaka ambovoka, tsy avela ny soa tsy hamiratra. [1.6]
Volamena latsaka am-bovoka : tsy avelan' ny soa tsy hihiratra. [2.415 #2265, 2.653 #3724, 2.974 #437]
Volamena latsaka am-bovoka: tsy avelan' ny tarehiny tsy hihiratra. [1.1]
Volamena latsaka am-bovoka: tsy avelan' ny volony tsy hihiratra. [1.1]
Volamena latsaka an-davenona : tsy avelan' ny soa tsy hihiratra. [2.558]
Malagasy interpretationEnti-milaza ireo olona mendrika sy marina, ka na haratsina aza dia tsy maintsy miseho ihany ny hasoany. [1.1]
Ilazana ny zava-tsoa izay tsy maintsy ampamirapiratin' ny hatsarany eny ihany, na aiza na aiza misy azy. [1.1]
Tsy saro-pantarina fa miavaka eny ihany ny zava-tsoa sy saro-bidy na dia very amin' ny toerana tsy mendrika ary aza. [1.1]
French translationDe l’or tombé dans la poussière, ne laisse pas de briller tout de même. [2.974]
L' or tombé dans la poussière : sa beauté ne lui permet pas de ne pas briller. [2.415 #2265]
Or tombé dans la poussière, sa beauté reste resplendissante. [1.6]
French interpretationMême cachée, la vérité est toujours découverte. [1.6]
Se disait des belles personnes, des jolies choses, des avantages et qualités qu'on ne peut cacher. [2.415 #2265]

Index